Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
sakafo
Hampiditra ohabolana
-29.
Vary amin'anana tonga vahiny ka mamory kitoza tsy fidiny
Zohimbato
-28.
Voalohan'ny volana Janoary, voalohan'ny vokatra santa-bary, fa ny voalohan-teny tsy maintsy kabary
Azrael666
-27.
Ny angady no tsy mba mamitaka: voky madama dia mifitsika, raha tsy voky izy mipitsika, dia ry zalahy no mibitaka
Azrael666
-26.
Ny tsipelina diso toy ny akotry am-bari-masaka ka rehefa voatsako mahasosotra ihany.
Nassa
-25.
Bemolotra mihina-koba ka,tafiaraka samy matevina
zandrymeva37
-24.
Matikambo milaza tsy tia nefa avela irery milela-bilia.
Ny_Arlinah
-23.
Izay manan-tsira,mahay mahandro.
Ny_Arlinah
-22.
Oento any refa tsy foy sao hamoizako ny aiko.
uneféelanableurose
-21.
Fizaran-kena maty jiro, vintana sisa no andrasana.
Lahimatoa
-20.
Noana manontany lera, voky manontany ondana.
Lahimatoa
-19.
Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka
haj.hery
-18.
Homana, manajaria
ramandimbisoalc16
-17.
Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo
OZ16
-16.
Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo
OZ16
-15.
Bevata fahatany ohatra ny voatavo antay
1406
-14.
"Banga mihinan-kitoza, tsiro no notadiavina kanjo ny hivy no raraka".
ragotso
-13.
Boka mihinan-kitoza: ny fihinanana dia lavorary, fa ny manala kaka no ady mafana.
9999
-12.
Ny hetaheta tsy afa-dronono
yveratsimb
-11.
Lambo mitsako moka, ka sitrany ahay vaza-mihetsika
yveratsimb
-10.
Ny tsinay tsy mba vatsy,ny kibo tsy mba lamosina
niryna
-9.
Ny tsinay tsy mba vatsy,ny kibo tsy mba lamosina
niryna
-8.
Aza manositosika ny tsy manombika
niryna
-7.
raha mararin-teny, aza mitakarina.
itaramasoandro
-6.
Ombin-tsarety mitondra henomby,ka lasa vinany ny fiainan-koavy! Voaforona t@ 2009
zokieva
-5.
ramatoa be mihinan-kitoza , ny tsirony no tadiavina ny rara-kivy no raraka
19822709
-4.
Mofo akondro sy lelamolotra ka izay manina manantona
josla
-3.
"Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso."
soanja
-2.
Farim-bazaha, lanim-bazaha. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-1.
Sakafo AnKeragna: lany omban-drano. (Ohabolana BESTIMISARAKA)
soanja
0.
Rom-boay: izay mahasahy homana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124