Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Sotro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Sotro
Hampiditra ohabolana
1.
Manao fisotro labiera na be kibo any ka mandroatra atraminy tay
Mofono.vy
2.
Raha indray mandeha no manta vary,tsy handevin-tsotrobe.
Ny_Arlinah
3.
Ataovy fitia vita voady ka sahy misotro ny aleoko maty
jock
4.
Lanilany fahatany ohatran'ny volan'ny mpisotro toaka
MATOKYAH
5.
Tsa ny toaka ro mahere fa agnay betsileo ro tsa mahay misotro...
sylvoalias
6.
Misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
yveratsimb
7.
Aza manao sotrobe lava tango, mahay atsy, mahay aroa
yveratsimb
8.
Raha olona iray no tsy tia, hitoto koba aho hatavy; Raha olona maro no tsy tia, hisotro tangena aho ho faty
ravomahandry
9.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
10.
Aza atao toy ny sotroben'Ambodinisotry, ka sady ikapohana alika no andoaran-dasopy
josla
11.
Rano tsy fisotro, tsy anasam-bava. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
12.
Raha olona iray no tsy tia dia mitotoa koba hatavy, fa raha ny be sy ny maro no mankahala dia misotroa tsingala ho faty.
soanja
13.
Sotroranon'akoho, ka izay kely azo no andraindraina
walte
14.
sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo
bemena
15.
Aza atao fitiavan'tsotro, rehefa ilaina vao tadiavina
Crionlas
16.
Mafanafana tahaka ny mpifana nisotro ranon'ampango.
aivetinakely
17.
Raha indray mandeha ve no manta vary dia andevi-tsotrobe?
niryna
18.
Raha indray mandeha no manta vary aza mandevi-tsotrobe
niryna
19.
Sotrobe lava-tango, mahay atsy mahay aroa
niryna
20.
Miasa amin'Atra, ny karama tsy dia betsaka fa ny fisotrona ronona rahatrizay dia ny miala amin'ity tany ity.
niryna
21.
Mateti-pihavy toa akoho misotro rano
niryna
22.
Aza manao sotrobe lava tango, loharana ny atsy, tsabahana ny eroa
niryna
23.
Mateti-pihavy toa sotrokely
niryna
24.
Afaka hitarika ny soavaly hisotro rano hianao fa tsy afaka azy ny hanery hisotro rano
niryna
25.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
26.
Ny vola tahaka ny ranon-tsira ka arakaraka ny isotroana azy no vao maika mampangetaheta
aivetinakely
27.
Tsy misy mahay hatrany an-kibondreniny, fa na ny mitan-tsotro aza ianarana.
aivetinakely
28.
Matety mpihavy toa sotrokely
niryna
29.
Raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy;raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty.
niryna
30.
Vorombe minia misotro vitsika, vilany be sisa sasàna.
aivetinakely
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1491