Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mamo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mamo
Hampiditra ohabolana
1.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
2.
Aleo mamoy kely itsaboana, toy izay hamoy be andevenana
mltfm
3.
Aleo mamoy iray alina hitsaboana; toy izay ivoahana an'hetsiny mandevina!
mltfm
4.
Be fandrahonana ohatra ny ampanga, mbola any an-tany dia mamonkona totohondry!
hery
5.
Ny teny toy ny toakan-jaodahy, kely tsy mahafa-po be mamoaka ny aty
lehsabotsy
6.
Tsy ny anjara no mamolavola ny olona fa ny olona no mamolavola ny anjarany
tovorandria
7.
Tsy misy hazo mamoa ka tsy miorim-paka.
tsiroa
8.
Ratsy vintana toy ny saka,ka be vohoka vao ato hoe mamosavy
Nyavorakoto
9.
Fohy mamonjy lanonana ka rehefa rava vao hita.
aivetinakely
10.
Andevolahy mamosavy tompo : voky hena indray andro fa hiongo-belona herintaona.
yveratsimb
11.
Fihavanan' ny Mamoladahy : tsy mihavana roa taona
yveratsimb
12.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
yveratsimb
13.
Ratsy fiafara toy ny lahy antitra mamosavy
rjuste
14.
Tapia tsy miakatra Imerina, amberivatry tsy midina Imamo.
soanja
15.
Hovalahy mamosavy andevolahy, ka misolo ny entan-kitainy.
soanja
16.
Akondronay no mamoa, ka azonay anaranam-po.
soanja
17.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
18.
Mamono volana an-trano.
soanja
19.
Toy ny mpanefy, mikapo-dalitra ambony lovia ka mamoy sasanangy tsy satry.
soanja
20.
Zava-doza tahaka ny kankana mandimby mirana, sady mamoy aina no tsy mahate-hijery.
aivetinakely
21.
Aza mora mamoifo fa mora volena ny fitiavana.
aivetinakely
22.
Zandry tsy mahandry lova hatolotra ka mamosavy ny zoky tsy ampiheverana.
aivetinakely
23.
Aza manambady mamolava, fa rehefa lany ny hareny, hamidiny mbamin'anaka.
aivetinakely
24.
Mibanjina ny sokatra aho, tsy misy ny fandrosoany raha tsy mamoaka ny tenda ety ivelany izy
niryna
25.
Ny lambo tsy ahina no mamola-pe.
aivetinakely
26.
Volabe tsy arahim-pitiavana, zary poizina mamono ny vatana, lasa zavona tahaka ny vongandranomandry.
aivetinakely
27.
Ny manantena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
28.
Ny manatena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
29.
Felam-boanjobory totofana, mandefitra vao mamokatra be.
aivetinakely
30.
Aza mamono reny toa vary ratsy
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2229