Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe sakafo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
sakafo
Hampiditra ohabolana
1.
Aza manao toy ny mpamaofy voanjobory , ka ny olona fosaina ihany avy eo no hangatahana sakafo
Mi69
2.
hala mamelatra trano am-baravarana: tsy mibahana ahy androso fa mamandrika sakafony
ramandasonfelix
3.
Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo
OZ16
4.
Nidiran-doza ohatrany sinoa nenjehin' alika, ka ny sakafo indray no andosirana
andry 1000
5.
«Veloma» tsy mba adidy : sakafo lany tsy mba andraikitra.
yveratsimb
6.
Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa poizina mifono ho an'ny hafa
yveratsimb
7.
ny sakafo ho an ny kibo ,fa ny aina an-dRanavalomanjaka
kiriah
8.
Sakafo AnKeragna: lany omban-drano. (Ohabolana BESTIMISARAKA)
soanja
9.
Lany aloha hoatra ny sakafon-doholana.
soanja
10.
Tsy ny sakafo any no maharaikitra ny dia , fa ny veloma atao.
soanja
11.
"Aleo sakafo anana hampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asiann-dromoromo" Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay harem-bevava azo amin'ny tsy rariny"
mpoon
12.
sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo
bemena
13.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
14.
Belamaody tsy ampy sakafo ka aleo miakanjo toy izay noana.
ZEMJOS
15.
Tsara fitafiana mianjaika tahaka ny goaika, manintona ny maso fe sady ratsy sakafo no maloto fofona
aivetinakely
16.
Teny soa sakafo, vava ratsy adidy.
benasy
17.
Tsy misy hianterana toa bozaka : tanora sakafon ny omby; antitra sakafom patana
kanto1
18.
Tovolahy tsy mahalala ho an tena, sakafon alika gaigy.
kanto1
19.
Lany maina ohatran'ny sakafon-doholona
niryna
20.
aza jamba amin'ny fitiavana fotsiny tahaka ny biby mahita sakafo
voniala
21.
Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa pozina mifono ho an'ny hafa.
niryna
22.
Isakafoana, mosary ; itafian-damba, henatra.
ikalamako
23.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy.
niryna
24.
Tsy misy hianterana toa bozaka: tanora sakafon'ny omby, antitra, sakafom-patana
latina
25.
didimaso miantsena, ka manome sakafo ny lalitra
latina
26.
Ny soa atao sakafo, ny vava ratsy adidy
mbelo
27.
Lany maina ohatra ny sakafon-doholona
McFy
28.
Veloma tsy mba adidy, sakafo lany tsy mba andraikitra
mandrindra
29.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy
hery
30.
Tsy misy hianteherana toa bozaka, tanora sakafon’ny omby, antitra sakafom-patana
Avahi
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0191