Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vovo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vovo
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fanambadiana toy ny lalan-tany, fahavaratra tsy ialan'ny fotaka, main-tany misy vovoka.
Angonoka
2.
Vovoan'Amboa,tsy hery fa tahotra
Jj.be
3.
Be hambo tahaka ilay jamba ka milaza fa mahita kitana mitatao vovona
NYAMI
4.
"Zaza nilaozan_tsakaiza ka milalao vovoka irery"
MATOKYAH
5.
Alika mivovo, tsy hery fa tahotra.
aivetinakely
6.
Ny maty handry toy ny vovoka, fa ny velona hihinana toy ny olona.
soanja
7.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
8.
Trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
soanja
9.
Vovonana iadian'ny lohany.
soanja
10.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery.
soanja
11.
Ny TIA toy ny alika ,mbetika mivovo mbetika mileladelaka
kiriah
12.
Mpamosavy vovozin'amboa, kaosenao ia fa tiaanao evao ity raha mazary.
vesta
13.
Mazava ampidirana tahaka ny vovo, fa maizina ampivoahana.
aivetinakely
14.
Mazava ampidirana fa maizina ampivoahana tahaka ny vovo.
aivetinakely
15.
Tanora nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
niryna
16.
Zaza nilaozan-tsakaiza k'a milalao vovoka irery.
ilanto
17.
Toy ny tain'alika ka ny avo ihany no hivovonana.
niryna
18.
Sima mitsoka afo, ka ny lavenona no miavovona aloha.
aivetinakely
19.
itony mpamosavy tsy mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
latina
20.
alika mivovo, tsy siaky fa tahotse
roscarb
21.
Miraparapa ohatra ny olona tsy misy maso ka tafintohana mitatao vovonana
razooz
22.
Ny alika mivovo tsy manaikitra
JMR
23.
Vovon'alika tsy hery fa tahotra
jentilisa
24.
Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka
hery
25.
Toy ny mpamosavy tsy mba mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
jentilisa
26.
Toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka
hery
27.
toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
ftma
28.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0165