Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fihavanana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fihavanana
Hampiditra ohabolana
31.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
32.
Ny fihavanana tsy azo vidiam-bola
niryna
33.
Ny fihavanana tsy azo vidina.
niryna
34.
Ny fihavanana aza atonao toy ny jiafotsy: intelo asampina ka mievotra ihany.
latina
35.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka, ary raha ketrahina, miboraka.
latina
36.
Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
latina
37.
Ny fihavanana ohatra ny famoriana tain'omby: ka izay mahavezivezy no mahafeno harona aloha
latina
38.
Ny fihavanana toy ny fasam-Bazimba, ka izay mandrava aloha no kely ila.
latina
39.
Ny fihavanana toa jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, ary tonta tsy ialan-dromoromo.
marozevo
40.
Aza atao fihavanana somidika ambony toa menaka, fa ataovy fihavanana latsaka anaty toa tsoka
rakekely
41.
Fitiavana tsy raikitra tsy atao hanimba fihavanana.
ariel
42.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana
mandrindra
43.
Fanambadiana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
doum
44.
Tsy ny varotra no taloha fa ny fihavanana
mandrindra
45.
Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro
hery
46.
ny fihavanana dia rano be mamono afo
ftma
47.
fihavanana raha misy patsa ka valin'fingika fingaka
ramuscle
48.
Ny fihavanana ohatra ny landy, maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro
McFy
49.
Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila
McFy
50.
Ny fihavanana tsy azo vidiana
McFy
51.
Varotra tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
vale
52.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
53.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
54.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171