Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fihavanana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fihavanana
Hampiditra ohabolana
31.
Ny fihavanana tsy azo vidiam-bola
niryna
32.
Ny fihavanana tsy azo vidina.
niryna
33.
Ny fihavanana aza atonao toy ny jiafotsy: intelo asampina ka mievotra ihany.
latina
34.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka, ary raha ketrahina, miboraka.
latina
35.
Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
latina
36.
Ny fihavanana ohatra ny famoriana tain'omby: ka izay mahavezivezy no mahafeno harona aloha
latina
37.
Ny fihavanana toy ny fasam-Bazimba, ka izay mandrava aloha no kely ila.
latina
38.
Ny fihavanana toa jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, ary tonta tsy ialan-dromoromo.
marozevo
39.
Aza atao fihavanana somidika ambony toa menaka, fa ataovy fihavanana latsaka anaty toa tsoka
rakekely
40.
Fitiavana tsy raikitra tsy atao hanimba fihavanana.
ariel
41.
aleo very tsikalam_bola toy zay fihavananana
ariel
42.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana
mandrindra
43.
Fanambadiana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
doum
44.
Tsy ny varotra no taloha fa ny fihavanana
mandrindra
45.
Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro
hery
46.
ny fihavanana dia rano be mamono afo
ftma
47.
fihavanana raha misy patsa ka valin'fingika fingaka
ramuscle
48.
Ny fihavanana ohatra ny landy, maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro
McFy
49.
Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila
McFy
50.
Ny fihavanana tsy azo vidiana
McFy
51.
Varotra tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
vale
52.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
53.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
54.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3