Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
sakafo
Hampiditra ohabolana
31.
Rom-boay: izay mahasahy homana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
32.
Banga mihinan-trafon-kena ka lasa tsy antonontonona.
soanja
33.
Trafo nasondrotry ny nofo.
soanja
34.
Mananjara izay itobahan'ny rony fa ny ventiny mandeha an-danjany.
soanja
35.
Tsy ny sakafo any no maharaikitra ny dia , fa ny veloma atao.
soanja
36.
Ganagàna mitety asa , ny hanina tsy hita ny tratra mangana
kiriah
37.
potsik ovin ankaratra ka samy mihinana ny voa-poriporiny
kiriah
38.
ny kibo noana tsy maha lavi-tany
kiriah
39.
Trafo-kena ome-mahery ka ambava homana am-po mieritra
kiriah
40.
Vary amin'anana ilaofan-tsakay, ka tiana hasiaka ny malaolao.
soanja
41.
Anatsinahy lavitra olona ka antitra ampijorana.
soanja
42.
Ny anana aza mahavaly hena.
soanja
43.
Toy ny zaza nomena ontsy ka dia nihinana.
ontsy
44.
Ny ambilia tsy lany, ka ny any ambilany takarina
sylvoalias
45.
Aza manao fierin-kanin-jaza, ny an-tanana ariana, ny am-bava aloa
niryna
46.
Hano ny hanina fa ny harena mila vintana
herikely
47.
Havana raha misy patsa
RALANTO
48.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
49.
Lany matsatso toy ny siran-dRamahihitra
marozevo
50.
Mitsako an-tsena, ka ny sofina no miampaga azy
zouzou
51.
Lany maina ohatra ny sakafon-doholona
McFy
52.
Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra
hery
53.
Aza mandrao-bary ao an-trano hafa
hery
54.
Aza miovoka ambony toy ny ranovolan’i Tsiodiana
hery
55.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina
hery
56.
Nahoana no atao hoe : « Be ny raharaha » ka ny voly vary indray no tsy efa ?
hery
57.
Vary iray no nafafy, ka vary zato no miakatra
hery
58.
Be faniry, kely fila ; ny vary aloha tsy ataon’ny kamo.
hery
59.
Osa, ka tia vary aloha !
hery
60.
Tsy mahafoy ny rojo aho
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0218