Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
sakafo
Hampiditra ohabolana
1.
Ny taigna samy taigna ka ny taigna ko ro hanina!
RIJA08
2.
Vary amin'anana tonga vahiny ka mamory kitoza tsy fidiny
Zohimbato
3.
Voalohan'ny volana Janoary, voalohan'ny vokatra santa-bary, fa ny voalohan-teny tsy maintsy kabary
Azrael666
4.
Ny angady no tsy mba mamitaka: voky madama dia mifitsika, raha tsy voky izy mipitsika, dia ry zalahy no mibitaka
Azrael666
5.
Ny tsipelina diso toy ny akotry am-bari-masaka ka rehefa voatsako mahasosotra ihany.
Nassa
6.
Bemolotra mihina-koba ka,tafiaraka samy matevina
zandrymeva37
7.
Matikambo milaza tsy tia nefa avela irery milela-bilia.
Ny_Arlinah
8.
Izay manan-tsira,mahay mahandro.
Ny_Arlinah
9.
Oento any refa tsy foy sao hamoizako ny aiko.
uneféelanableurose
10.
Fizaran-kena maty jiro, vintana sisa no andrasana.
Lahimatoa
11.
Noana manontany lera, voky manontany ondana.
Lahimatoa
12.
Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka
haj.hery
13.
Homana, manajaria
ramandimbisoalc16
14.
Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo
OZ16
15.
Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo
OZ16
16.
Bevata fahatany ohatra ny voatavo antay
1406
17.
"Banga mihinan-kitoza, tsiro no notadiavina kanjo ny hivy no raraka".
ragotso
18.
Boka mihinan-kitoza: ny fihinanana dia lavorary, fa ny manala kaka no ady mafana.
9999
19.
Ny hetaheta tsy afa-dronono
yveratsimb
20.
Lambo mitsako moka, ka sitrany ahay vaza-mihetsika
yveratsimb
21.
Ny tsinay tsy mba vatsy,ny kibo tsy mba lamosina
niryna
22.
Ny tsinay tsy mba vatsy,ny kibo tsy mba lamosina
niryna
23.
Aza manositosika ny tsy manombika
niryna
24.
raha mararin-teny, aza mitakarina.
itaramasoandro
25.
Ombin-tsarety mitondra henomby,ka lasa vinany ny fiainan-koavy! Voaforona t@ 2009
zokieva
26.
ramatoa be mihinan-kitoza , ny tsirony no tadiavina ny rara-kivy no raraka
19822709
27.
Mofo akondro sy lelamolotra ka izay manina manantona
josla
28.
"Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso."
soanja
29.
Farim-bazaha, lanim-bazaha. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
30.
Sakafo AnKeragna: lany omban-drano. (Ohabolana BESTIMISARAKA)
soanja
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0145