Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe añy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
añy
Hampiditra ohabolana
991.
Anamamy niaraka ihany ka beroberoka vo mifanary
doum
992.
Isika toy ny ladim-mboatavo ka iray mihodidina ihany
doum
993.
Mpamosavy malemy lohalika ka ny ao antrano ihany no asina
doum
994.
Vavaka ho any hafa, valim-pitia any an-danitra
doum
995.
ANtitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
doum
996.
Tsy miady tsy miady, ny kibay akelika ihany
doum
997.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
998.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
doum
999.
Akoho lahy fahavaratra ka rebarebany ihany
doum
1000.
Rafotsy be very laona ka miandry izay higadonany
doum
1001.
Manalasala toa lava nify mamangy fahoriana, atao eo aloha toa mananihany, atao any aoriana ohatry ny hanaikitra
Chuan
1002.
mandrora mitsilany ka mahavoa tena
jentilisa
1003.
Ambany maso tsy hita tahaka ny solomaso anaovana tadiavina.
jentilisa
1004.
Haingon'Imandiavato, ny jabo no ivelany fa ny somizy anatiny.
jentilisa
1005.
Raofina ihany toy ny lainga, fa raha feno miraraka.
jentilisa
1006.
Vary lena voatoto ka samy te-ho lohany
jentilisa
1007.
Sitrapon-dRalakamisy ny nanambadiany ambaniandro
JMR
1008.
Manao tany tsy misy fanjakana
JMR
1009.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
1010.
Aza manao soa tapany.
jentilisa
1011.
ny fanompoana tahaka ny endim-boanjo: ny madinika ihany no may.
jentilisa
1012.
Borizanon'Ivakiniadiana, ny tonga ihany no matin'entana.
jentilisa
1013.
totohondry diavolana ka ny mazavaray ihany no voa
jentilisa
1014.
mpandany ny azo tahaka ny zaza mpandova
jentilisa
1015.
ny zoky be toa ray ihany
jentilisa
1016.
lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy.
jentilisa
1017.
Mitomany an-dreniny te-hinono, mitomany an-drainy te-hobabena
jentilisa
1018.
Ombalahy tanimanga, ny tompony ihany no mitrena
jentilisa
1019.
Lasan-ko bikany toa akoholahy fahavaratra
jentilisa
1020.
rano am-pasika, tazani-tsy misy, tovozina ao ihany.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
32
33
34
35
36
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562