Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe eran
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
eran
Hampiditra ohabolana
1.
Ny ratsy atao anie hono ka mitondra ny tsy rambin'ny tanany raha miditra, fa mitondra ny tsy heran'ny ainy raha mivoaka.
Nambing
2.
Eran'ambatry tsy ampy, vozon'akoho no manefa
hery
3.
Ny tsiny sy ny tody dia arofanina tsy ianjerana amin'ny fanjakan'i Baroa
piratekcan
4.
Vady tsy tiana ianteherana tany ikafarana ilevenana.
Tambanivohidahy
5.
sambatra izay itoerany fa ny nandalovany aza misento
Jocelyn Bellarmain
6.
akoholahy maneno an-tsena, tsy hery fa alahelo ny toerana nilaozana
Jocelyn Bellarmain
7.
Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.
Maminirinaheryz_
8.
Ny lefitra tsy amin-tody mampiray vahana ny fandeferana
tsara_ny_marina
9.
Aza manao fahanteran'alika ka antitra vao miha-gaigy.
Ny_Arlinah
10.
Mihena an-toerana toy ny fen'antitra
OZ16
11.
Mifanaratsy an-toerana toy ny bokan'i Leagna
OZ16
12.
Akoho kely miambozona tady mahazaka ka mitondra ny tsy heran'ny aina.
Kdaombaramita
13.
Toerana nahavokisana tsihy hitoerana ela
madacarsservice
14.
Mandreran-tena otran'ny alika manenjika môto
Rafalimanantsoa
15.
Mifanaratsy apitoerana, oatrany boka mitanin'andro
aer0jhony
16.
Be hambo toa rambon'osy ny lanitra tsy ianjeran no tohanana nefa ny vody lanin'ny moka tsy hita.
Ligo
17.
omby mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
Nyavorakoto
18.
"Voanemba mipitika anjoro, tsy very fa maka ny toerany"
MATOKYAH
19.
ny teny ierana tsy mba loza ; tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina
yveratsimb
20.
Tsy mety raha ny ateran-kira indray no milaza ho tsy mahay mihira.
niryna
21.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo ateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
yveratsimb
22.
ny teny ierana tsy mba loza ; tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina.
yveratsimb
23.
Mahafoy erany ka tsy mahafoy mihintsana
yveratsimb
24.
Sobiky rindra notampenan-kerana, ka ny azy fanahy iniany
yveratsimb
25.
Ny ela nandeferana , tsy voatazon-tsonia fito.
aivetinakely
26.
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara
yveratsimb
27.
Aleo manontanitany foana hihomehezana, toy izay manaonao foana hitezerana
yveratsimb
28.
Raha hitsangan-tsy mahay, aleo misonenika an-toerana
yveratsimb
29.
Ny vola tahaka ny mpivarotena; tsy mahalala fahanterana ; tsy mahalala havizanana.
zonia
30.
Rangahibe naka rafy, ka mampitondra ny tsy eran'ny aina!
sejianis
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9992