Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe havan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
havan
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fihavanana tsy tiako ho rava no tsy hanaovako trosa aminao
RIJA08
2.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
RIJA08
3.
Ataovy toy ny fihavana-molotra ka tezitra vao mifanantona.
Rakoto Mpikabary
4.
Ny naman-kanírina manjàry havana, ny naman-kandrendrika tonga fahavalo.
Maminirinaheryz_
5.
Fihavanana tsy tiko ho rava no tsy anaovako trosa aminao
Jj.be
6.
Ny ahiahy tsy ihavanana
lalaraymond
7.
zavatra tsy ampy zaraina ka mifandefitra no mahatsara fihavanana
rado_albert
8.
Ny ory tsy havan'ny manana..
Ny_Arlinah
9.
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
Michel07
10.
Aza atao toy ny fihavanam-bato , fa raha tapaka tsy azo hatoy
hasinasamael2016
11.
Aza atao fihavanam-bato fa raha tapaka tsy azo atohy intsony
OZ16
12.
Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana, matesa ny omby
OZ16
13.
Aza atao fihavanam-bato, ka raha tapaka, tsy azo atohy; fa ataovy fihavanan-dansy,ka raha madilana,azo tohizana.
sylvianna
14.
Aza manao fihavana-molotra:tezitra vao mifanatona.
sylvianna
15.
Aza atao toy ny fihavanam-bato ny fihavanana,fa ataovy toy fihavanan-kazo,ka raha tapaka ary azo hatoy.
falinafs
16.
zaodahy tsy mba havana
SYLLA8
17.
Ny soa tsy ambara havana, atambo miditra ny trano
lehsabotsy
18.
Aza atao fihavanan'alika ka isaky ny mifankahita dia mifanasavangy.
Ligo
19.
Ny vola miteraka havana fa ny havana mandany vola.
seul110
20.
Ady lova, ady fananana, fa tsimbino ny fihavanana.
BEDOGAIGY
21.
"fitia tsy tanteraka tsy maharatsy fihavanana"
alfantomas
22.
"Izay mahavangivangy tia havana, ny hava_tiana tsy vangia_matetika"
MATOKYAH
23.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
dagomainty
24.
Ataovy toy ny andry ombin'ilaisalama ny havana,ka ny kely voasafosafo;ny lehibe voatehatehaka
FENOSOA2
25.
aza atao toy ny vato ny fihavanana ka raha tapaka tsy azo atohy
aikon
26.
aza atao toy y vato ny fihavanana ka raha tapaka tsy azo atohy
aikon
27.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
tolozah
28.
Aza manao fihavanan-javona, ny andro ihaonana toa tsy hisaraka fa raha misaraka dia lasan-davitra
yveratsimb
29.
Aza atao fively aponga ny havana ka ny andahiny gobogobohina fa ny am-bavany lambolamboina
yveratsimb
30.
Tsy voavonjin'ny hafa akory fa ny havana ihany no hala-mahatratra
yveratsimb
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0179