Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
ady
Hampiditra ohabolana
1.
Anti-bavy nahandro sakafo, antanan'ny tompony!
Angonoka
2.
Ela nizarana ny tsara sy matsiro toy ny vilanin'ny antitra.
Angonoka
3.
Ela niaretana ny mahamay toy ny vilanin'antitra.
Angonoka
4.
Donak`afon`Analakely , vao mipaka dia any ambovonana
RIJA08
5.
Tsisy farany ohatran`ny zoma voalohany
RIJA08
6.
Indroa nahita ny maizina otran`ny tain`omby natsentsina an-davaboalavo
RIJA08
7.
Mivindavinda otran`ny fory voalely maraina
RIJA08
8.
Ny fanambadiana toy ny lalan-tany, fahavaratra tsy ialan'ny fotaka, main-tany misy vovoka.
Angonoka
9.
Aleo matanja-tsaina, fa ny sandry be tsy ilaina
avoss Jah
10.
Vovoan'Amboa,tsy hery fa tahotra
Jj.be
11.
Ny lefitra tsy amin-tody mampiray vahana ny fandeferana
tsara_ny_marina
12.
Ny mahay vava tsisy hery
gerardjapon2
13.
aleo maty amin'ny fahamarinana ,toy izay maty amin'ny fahadisoana.
avoss Jah
14.
Aleo misoroka,toy izay sorohina.
Topher
15.
Ny vontom-pon'ny te-ho velona tsy mitovy amin'ny vontom-pon'ny te-hamono.
Lemonja
16.
Basy atifikava arangaranga mialoha
IsraelCatz
17.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina
OZ16
18.
Tsy mahalala ny tata-body ka mifitra amin'ny antsy maranitra !
Kdaombaramita
19.
zaodahy tsy mba havana
SYLLA8
20.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay tsy mitandrina vaky loha.
Ligo
21.
Jamba manao diamanga, ka ny rivotra no maty daka
Rakotoaly
22.
Tandrimorimo ty maola mahavoa ty mahihitsy
Longonao
23.
Didifolo Andriamanitra tokony ekena sy hakatoavina fa didi olombelona tokony hifanaraka didi Andriamanitra
andriamena45
24.
Ady varotry ny mananontena, ka raikitra vao toran-kovitra.
BEDOGAIGY
25.
Ady tsy tra-mampahery vava.
BEDOGAIGY
26.
Ady tsy tra-maha-Rangahy.
BEDOGAIGY
27.
Ady tsy ahi-mahatratra.
BEDOGAIGY
28.
Ady lova, ady fananana, fa tsimbino ny fihavanana.
BEDOGAIGY
29.
Ady amin' adala, ka ny hery no miala.
BEDOGAIGY
30.
Adin' ombalahin' ny mpianakavy : ny mahery tsy hobina ny resy tsy horakorahina.
BEDOGAIGY
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117