Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
finoana
Hampiditra ohabolana
1.
Anti-bavy nahandro sakafo, antanan'ny tompony!
Angonoka
2.
Rafotsibe nahandro sakafo, mampiseho ny talentany sy ny traikefany.
Angonoka
3.
vava-kisoa misy sira ka asakasak`izay hihinana azy
RIJA08
4.
Ny ratsy atao anie hono ka mitondra ny tsy rambin'ny tanany raha miditra, fa mitondra ny tsy heran'ny ainy raha mivoaka.
Nambing
5.
Kristiana Alahady, fa mpangalatra akoho Alatsinainy
Azrael666
6.
Toriteny am-piangonana, ka ny tonga ihany no voalevilevy
Azrael666
7.
Enga anie ny devoly izay mitady handrebireby anareo, ho tahaka ny bararata amoron-drano, ka hangovitra mandram-pahafatiny
Azrael666
8.
Tsy nisy biby te ho kary, fa mahery ny laha-Janahary
Azrael666
9.
Fikasana ny an'ny mpandeha fa ny adidy an'ny pneu; fikasana ny an'ny saofera fa ny adidy an'ny maotera; fikasana ny an'olombelona fa ny adidy an'Andriamanitra
Azrael666
10.
Izay mazoto manompo tsy very anjara
Tambanivohidahy
11.
Ny tsiny sy ny tody dia arofanina tsy ianjerana amin'ny fanjakan'i Baroa
piratekcan
12.
Na Miaina Eo Amin'ny Fotoana Sarotra Aza, Dia Miezaha Ihany Mba Ho Tafita
Avoss
13.
Aleo Manao Zavatra Vokatra Ny Fo Misy Tanjona Atao,toy Izay Manaonao Fotsiny Tsisy Dikany
Avoss
14.
aleo maty ,toy izay mijaly
Avoss
15.
"raha tonga ny tokoa tokoa dia alavitra ny lainga"
ramiandrisoa_jean_marc2018
16.
Ny tanety lava mampisy fisainana, fa ny fotoana maharitra mahatonga eritreritra.
tina.asadom
17.
Didifolo Andriamanitra tokony ekena sy hakatoavina fa didi olombelona tokony hifanaraka didi Andriamanitra
andriamena45
18.
"Ny fikasana antsika olombelona fa ny lahatra dia an'Andriamanitra"
MATOKYAH
19.
Efa tsara vina (études) ohatran'ny fasan'ny mpamosavy.
ontsy
20.
Sarotra tadiavina ohatran'ny Sinoa rastà.
Kotozafy2012
21.
Sendra masaka tokony hihinana Avy tsy asaina nasesiky ny razana.
niryna
22.
Andriamanitra tsy tia ratsy.
niryna
23.
Andriamanitra tsy manontany izay mety ho vitanao na tsy vitanao fa kosa mijery ny fahavononao Izy.
niryna
24.
Kristianina alahady, alatsiainy mangalatra akoho!
mianjy
25.
Rom-boay:Izay mahasahy homana
niryna
26.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
27.
Fambara loza ny goaika tokana eny alohan'ny lalana izorana.
soanja
28.
Ny fahasambarana, hono, tsy tsapa raha tsy ifampizarana amin'ny hafa.
soanja
29.
Hanky va re! hoy ny Synoda
Razatovo
30.
Ny iray tahin'olombelona fa ny iray kosa tahin'Atra
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121