Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
ftma
Hampiditra ohabolana
-29.
Tsy mila hatotongana ny harona vao hatao hoe tsy misy.
ftma
-28.
Fandrik'akanga nahavoa mandotra, tsy izy fa vanda
ftma
-27.
Feom-boron'ala, samy manao izay hainy
ftma
-26.
Avy vinanto marani-pangady, avy rafozana vondrak'akoho.
ftma
-25.
Fotsy vary manafina akotry
ftma
-24.
adala nomen-tanan'ondry: na hosoloina hofany aza tsy mety.
ftma
-23.
adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body.
ftma
-22.
ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry fa avy manaraka tahaka ny alika.
ftma
-21.
mpikarama milanja rofia: manenjan-tsandry amin'ny an'olona
ftma
-20.
lohalika sy laferana, izay miantraitraika no vazoka
ftma
-19.
lalitra an-kazo, ny iaviany tsy mahavezatra, ny ialany tsy mahamaivana.
ftma
-18.
Ny sikidy ratsy tsy amonoan-tena, ny sikidy soa tsy iravoana.
ftma
-17.
ny fihavanana dia rano be mamono afo
ftma
-16.
Atody makakoa latsaka an-dalana, samborina izy maty ny ray; avela izy, maty ny reny.
ftma
-15.
Akondro mahia misy masaka, saro-dazaina aman-kavana.
ftma
-14.
Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao, ratsy izy ao
ftma
-13.
Lany hena alohan'ny olona ka ny nify no aolanolana
ftma
-12.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
-11.
Izay iray vatsy iray aina
ftma
-10.
Raha revom-potaka, rano no manala; raha revon-teny, vava no manala; raha revon'alahelo, ny havana no itarainana.
ftma
-9.
Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana.
ftma
-8.
Ny teny toa ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra.
ftma
-7.
toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
ftma
-6.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
-5.
Nify lanin'ny olitra ka alana no mahatsara azy
ftma
-4.
Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha.
ftma
-3.
Mivarotra omby anaty ambiaty
ftma
-2.
Tsy mahafoy hamidy takotra ka manta vary
ftma
-1.
Aza dia ny hodi-boanjo fanary no atao sakafo mahavita
ftma
0.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0165