Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Toto
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Toto
Hampiditra ohabolana
1.
Manan-karena mitafy jiafotsy, tototry ny lazany ihany
hery
2.
Be fandrahonana ohatra ny ampanga, mbola any an-tany dia mamonkona totohondry!
hery
3.
Boka mangata-pitahiana,zanahary hanome no anombanana totohondry
raolivivere53
4.
Aza te ho deraina toy ny saka; ny tay totofana nefa ny vody tsy mifitra
leonniemada88
5.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy
OZ16
6.
Tonga dia vonona ohatra ny totohondrim-boka
OZ16
7.
dedaka ohatra ny saka mangery tay totofona nefa, vody tsy voafitra
heriy
8.
"Mitady sitrany ôtrany totozy terekanina nefa nasitriny."
aer0jhony
9.
Sepotry ny nataony toy ny totozikely nangetotra an-davenina
Andokely
10.
Lahiantitra kendam-bodiakoho:mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso,tonga valim-pitia vao voa totohondry an-katoka.
NIAINATOKY
11.
Lahy antitra kendam-body akoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso ; tonga ny valim-pitia vao voa totohondry an-katony.
yveratsimb
12.
Manao halo-pozan' ny mondry izy, ka mitoto azy ho mafy
yveratsimb
13.
Aza mitoto vary an-trano fohy loha
yveratsimb
14.
Tono lavi-tompo, naho tsy manta, forototo.
Momake
15.
indrindra hiseo ihany dia mananety; fa indrindra raha tsy hiseo ihany, dia aleo mitoto-bozaka.
itaramasoandro
16.
Raha olona iray no tsy tia, hitoto koba aho hatavy; Raha olona maro no tsy tia, hisotro tangena aho ho faty
ravomahandry
17.
Ditsoky ny nataony otrany totozy nandefa rivotra an-davenona
Dreamlover14
18.
Bararata anaty fasika ka totofana vao lava tsiry.
soanja
19.
Manao longoa mitoto-bozaka.
soanja
20.
Manao maso voatoton-tany.
soanja
21.
Lainga marivo tototra ka hehezin ny akoho tokan anaka
kiriah
22.
Mpihaza vao sendra sora ka hoentina toa totozy, havela toa trandraka kely.
soanja
23.
Ny lalana afaky ny voalavo afaky ny totozy, fa ny lalana afaky ny totozy tsy afaky ny voalavo.
soanja
24.
Raha olona iray no tsy tia dia mitotoa koba hatavy, fa raha ny be sy ny maro no mankahala dia misotroa tsingala ho faty.
soanja
25.
Raha lasa hono ny mamba d mtotò koba hatavy
ionosaoly
26.
Aza ny hakelin'ny totozy no jerena fa ny lavaka vitany !
sylvoalias
27.
Totohondry diavolana, ny mazava iray ihany no voa
niryna
28.
Be geste hoatry ny saka, ny malotony totofana fa ny fitombenana tsy firana !
Jaks
29.
Matin'ny nataony toy ny totozikely nangetotra an-davenona.
andokely
30.
ny lainga marivo tototra tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
batteur
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0903