Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
1.
Ela niaretana ny mahamay toy ny vilanin'antitra.
Angonoka
2.
Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
RIJA08
3.
Andriamanitra nanome fa i Balita no tsy mahay manana
RIJA08
4.
Hatsipy ny tady eny antandroky ny omby, hatsipy ny teny ao ampon`ny mahalala
RIJA08
5.
Tsipak`ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
RIJA08
6.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
RIJA08
7.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatateza ny vali-kitsaka
RIJA08
8.
Gila maso manao firaisana ara-nofo ka tsy fantatra intsony na torana na mahazo fafiny
RIJA08
9.
Sotro ranon'ny mahantra,tsy hetaheta fa fanampi-tsakafo "Zavona Rakoto"
ZavonaRakoto
10.
Ny mpilaza misy fa ny mpihaino koa mahay.
NtaoloZ
11.
NY ASA Ny asa no lova, soa tsy lany hasina, Andaniana ny fotoana, amin’ny fo sy saina. Fa ny fety koa indraindray, fitsaharana masina, Hanangonana hery hifohazana maraina. #Mahane
AsaphMahane
12.
Mikoba-drano marivo, ka mahavery fanahy ny tsikovoka
hery
13.
Androngo efa hita, na mitsipelika aza tsy mahataitra intsony
hery
14.
Mandremby manan-tohotra : tsy mahazo ny an’ ala, omana ny an-tanàna.
ikalamako
15.
Izay mahay mihaino no mahay miteny
hery
16.
Fia foririn'ny Mahavatsy ze afara tsy mahatsatsy!
FatikyRaketa
17.
Ny fanambadiana toy antsapaka , ao ny mahazo ny trafony ao ny mahazo ny rambony
aivetinakely
18.
Tsy misy mahay milatro tahaka ny dokotra, fa rehefa taitra mirifatra ihany
Mbolahasy
19.
Mananjara izay mahasahy, fa ny tsy fanànana efa ho lava.
Tambanivohidahy
20.
Tapa-pary nafiko amboa, antanana maharombaka (ohabolana antakarana)
Horista
21.
Rafotsibe mangataka omby: raha mahazo, manan-karena indray andro; tsy mahazo, ny omby angaha fangataka?
azrael666
22.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka
sylvoalias
23.
Ny tampoka tsy maha lehilahy, fa ny mahalehilahy tonga tampoka
hash20
24.
Mpianatra samy mahay , ka mifanome formule diso
kabuto
25.
Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina
brunopayet
26.
Tranoben'Antananarivo ka izay mahavita aloha no manenina.
lraharimalala27
27.
Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra
Jj.be
28.
Ny ela no maharay roa
tsara_ny_marina
29.
Ny reny tsy mahafoy zanaka fa ny zanaka mahafoy reny. ka raha lasa reny hianao ?
niryna
30.
Mahay roa hoatra ny lelan'omby,ka sandy any ambava no any ambody
layaunne
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0247