Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste des proverbes, dans la catégorie
havana
Insérer un proverbe
-29.
Mila voatsiary tahaka ny mangataka afo amin'ny olona efa maty
Hajaaa
-28.
Zavozavo sy herika, amin’ny soa miara-mandina, amin’ny ratsy miara-basoka.
nirihaja
-27.
Vady tsy tiana ianteherana tany ikafarana ilevenana.
Tambanivohidahy
-26.
Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.
Maminirinaheryz_
-25.
Ny naman-kanírina manjàry havana, ny naman-kandrendrika tonga fahavalo.
Maminirinaheryz_
-24.
Na Miaina Eo Amin'ny Fotoana Sarotra Aza, Dia Miezaha Ihany Mba Ho Tafita
Avoss
-23.
Ataovy Zavatra Ho Anao Ny Zava_dratsy Teo Aloha, Mba Hanatsarana Ny Hoavy
Avoss
-22.
Ny anaran-dray tsa afify
Tafs
-21.
"Aza manao toy ny atody voakapoka ka mahazo menaka mafana vao mitambongana"
vonjygildas.mnp
-20.
Ny teny toy ny toakan-jaodahy, kely tsy mahafa-po be mamoaka ny aty
lehsabotsy
-19.
Tana mian'ala, ka tsy vahiny amin'ny lokon'ny voahary
lehsabotsy
-18.
Ny soa tsy ambara havana, atambo miditra ny trano
lehsabotsy
-17.
Ataovy toy ny andry ombin'ilaisalama ny havana,ka ny kely voasafosafo;ny lehibe voatehatehaka
FENOSOA2
-16.
Mafanafana tahaka ny ratsy atao an-kavana.
aivetinakely
-15.
Raha mamboly ka tsy mahavanona, ampio fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa avelao hivarina an-kady.
taratriniaina
-14.
Ombin-tsarety mitondra henomby,ka lasa vinany ny fiainan-koavy! Voaforona t@ 2009
zokieva
-13.
Vorondolo miaraka amin'akoho: miala fa tsy havanay. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-12.
Sitraka enti-matory ho valiana raha matsiaro
kiriah
-11.
Basy atifi-kavana ka tsy afenina fa arangaranga
kiriah
-10.
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina amin-kavana.
soanja
-9.
Tomendry añabo kakazo; vataña fô aty fa jery jiaby aminarô añy. OHABOLANA SAKALAVA
zandrikelytf
-8.
Izay mahavangivangy tian-kavana
ariel
-7.
Aza sarotra ihamboana toa havan-dratsy
hery
-6.
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray andahiny hodobodohohina
hery
-5.
Alao henatra, alao tondro maso fa havana
booboo
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1366